Episodes & Posts
Episodes
Posts
3 OCT 2022 · Ao amin’ny Korintiana voalohany 7 i Paoly dia miresaka ny fomba ahafahan’ny mpivady mifanome fahafaham-po ao anatin’ny firaisana ara-nofo ary ny maha-fitsipika tena manan-danja ny fifanarahana amin’ny fifandraisana ara-batana. Araka ny voalazan’ny Lalàna Volamena hoe: ‘Ataovy amin’ny hafa izay tianao hatao aminao.’ Ny modely ara-Baiboly momba ny fanambadiana dia Kristy sy ny Fiangonana. Tsy afaka manana izany karazana fitiavana izany isika raha tsy manana fifandraisana mafonja amin’I Jesosy sy mamela ny Fanahiny hitia amin’ny alalantsika.
3 OCT 2022 · Andriamanitra dia nikasa ny firaisana ara-nofo ho amina tanjona maro. Ny iray amin'ireo tanjona voalohany dia ny fananana taranaka, natao ho fitaovana hiresahan’ny mpivady ihany koa izany. Indrisy anefa fa izay nokasain’Andriamanitra hanehoana fifaliana amin’ny firaisana matetika no lasa iray amin’ireo sakana lehibe indrindra amin’ny fampiraisana ny mpivady. Asehon’ny Tenin’Andriamanitra amintsika izay tokony ho toe-tsaina sy ny andrasana amintsika momba ny firaisana ara-nofo eo amin’ny sehatry ny fanambadiana sy ny fianakaviana notendren’Andriamanitra; mba hitondra fahafaham-po sy fahafinaretana hoan’ny mpivady izany.
3 OCT 2022 · Manome valiny ny Baiboly mba hanampiana antsika amin’ny fahatakarana ny anjara asa nomen’Andriamanitra antsika, kanefa ny asa fizarana ao amin’ny tokantrano Kristiana iray dia tokony hiorina amin’ny fanomezam-pahasoavana voajanahary ananantsika sy ny talentantsika ary ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananantsika. Raha miorina eo amin’I Jesosy ny fiainantsika sy ny tokantranontsika, ary azontsika ny zavatra mitranga ao anatin’ny vadintsika, dia hisakana ny krizy izay mitady handrava ny fanambadiantsika isika. Noforonin’Andriamanitra ho an’ny fananan’anaka ny firaisana ara-nofo. Nokasain’Andriamanitra ho fanehoana fitiavana sy fanehoana ny firavoravoan’ny maha-iray koa ny firaisana.
3 OCT 2022 · Tsy maintsy takatsika ny maha-tokana ny vadintsika mba ahafahantsika mifandray amin'ny sehatra lalindalina kokoa. Misy fanontaniana valo ao amin’ny Baiboly tokony hapetraka: 'Aiza ianao?', 'Iza no nilaza taminao?', 'Efa nihinana tamin'ny hazo voarara ve ianao?', 'Inona no nataonao?' 'Avy taiza ianao?' ary 'Ho aiza ianao?', 'Iza moa ianao?' ary 'Inona no tena tadiavinao?' Raha lazaina amin'ny teny hafa, Tianao ho iza moa ianao? Ho aiza ary ho inona no efa nokasain'Andriamanitra ahatongavanao?
3 OCT 2022 · Ny fahazoana izay manjo ny vadintsika no rohy manome ny fitomboan'ny fifandraisantsika sy ny maha-iray antsika. Ny hasarobidin’ny lehilahy na ny vehivavy dia mifototra amin’ny asany sy ny anjara asany amin’ny naharian’Andriamanitra azy. Ny vavaka lehibe ho an'ny fanambadiana dia izay nataon'i François d’Assise hoe: "Tompo ô, ataovy ho fitaovan'ny fiadananao aho, mba tsy hitady fampiononana foana fa mba hampionona, tsy hitady ho azo foana fa mba hahazo, tsy hitady ho tiavina fa mba hitia."
3 OCT 2022 · Ny firaisankina, 'ny roa tonga nofo iray', no fototry ny fanambadiana, ary ny fitiavana no fanehoana izany firaisana izany. Raha tsy misy fitiavana agape, dia tsy ho afaka hanana ny karazana fanambadiana nokasain’Andriamanitra isika. Ity karazana fitiavana ity dia tsy azo soloina, tsy azo ravàna, tsy misy fepetra, manome aingam-panahy ary tsy azo toherina. Tokony ho tsapantsika fa tsy ho tanteraka izany karazana fitiavana izany raha tsy misy ny fanampian’Andriamanitra. Andriamanitra dia nikasa ny fanambadiana ho tsy azo ravana, ary mankahala ny fisaraham-panambadiana. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampianatra antsika hanisy fefy ny fanambadiana, fefy miaro sy miahy ny fifandraisana.
3 OCT 2022 · Ny fitiavana no fanehoana lehibe ny maha-iray, izay nokasain’Andriamanitra rehefa nilaza Izy hoe: “Ho nofo iray ihany izy roroa”. Ny olana lehibe iray amin'ny fanambadiana dia ny fitiavan-tena. Rehefa mianatra mitondra ny vadintsika tsy misy fitiavan-tena isika, mametraka ny zavatra ilain’ny vadintsika ho ivo, dia manomboka mitia toa an’I Jesosy isika. Ny fitiavana avy amin’Andriamanitra dia voafaritra tsara ao amin’ny Korintiana voalohany 13 ary mampiseho amintsika ny fomba tokony hitiavantsika ny hafa. Raha miaraka amin’ny fitiavana agape, dia mety ho lavorary tokoa ny fanambadiana sy izay rehetra fikasan’Andriamanitra.
3 OCT 2022 · Ny fahaizana mifanaraka no porofon’ny firaisan-tsaina nataon’Andriamanitra ho an’ny mpivady. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny: fifandraisana ara-batana, soatoavina, fahamatorana ara-panahy, olana ara-pitondran-tena, ny fomba andaniantsika ny fotoanantsika sy ny volantsika, ny olana amin’ny ankizy, ary ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiarahana. Ny fifanarahanareo ara-panahy dia fototra amin'ny famaritana ireo andraikitra sy adidy anananareo. Mba hihazonana ny firindràna, dia tsy maintsy manaiky ny tanjaka sy ny fahalemen’ny vadintsika isika. Manome toromarika maromaro momba ny fomba tokony hifandraisan’ny mpivady ny Baiboly.
3 OCT 2022 · Ny fifampiresahana tsara no fitaovana manampy hihazonana sy hampatanjaka ny mpivady mba ho iray tokoa. Tahaka ny fihazonantsika sy ny fikolokoloantsika ny fifandraisana amin’I Kristy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fihainoana ny feony, ny mpivady dia tsy maintsy mihazona sy mamboly ny fifandraisany amin’izy samy izy. Ny fifampiresahana dia toy ny mandrehitra jiro eo amin'ny fifandraisantsika, mampiharihary zavatra manimba ny firaisana ary manambara zavatra izay hanampy antsika hifanakaiky kokoa.
3 OCT 2022 · Ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fianakaviana sy ny fanambadiana dia manome ny tanjona tsara sy manan-danja ho an’ny fifandraisantsika ary manatanteraka ny tanjony ho an'izao tontolo izao. Ao amin'ny Soratra Masina dia misy lafiny famatsiana ny fanambadiana; tokony ho fifandraisana maharitra sy voatokana ho an’ny mpivady, fa tokony koa ho fifandraisana iraisana izany hoe mijery ny lafim-piainan’ny lahy sy ny vavy manontolo: ny fanahiny, ny sainy, ny fony ary ny vatany. Rehefa miray saina ny mpivady, ary miaina ao anatin’izany karazana firaisana izany, dia maneho ny fikasan’Andriamanitra momba ny fanambadiana izy ireo.
Information
| Author | Foundations by ICM |
| Organization | Foundations by ICM |
| Categories | Christianity |
| Website | - |
| - |
Copyright 2026 - Spreaker Inc. an iHeartMedia Company